Actualités

TVM Mizaka ny tsy fitiavan’ny olona ny FAT


  • Talata 28 Mey 2013

Isaky ny mitatra ny tetezamita sy miovaova hevitra i Andry Rajoelina dia miha mihena hatrany koa ny fitiavan’ny olom-pirenena azy.

 Raha ny hevitry ny fiarahamonina dia tsy mankasitraka ny fikasan’ny filohan’ny FAT mifikitra amin’ny sezany ny maro an’isa. Rehefa tsy nahomby teo anivon’ny governemanta ilay volavolana didy hitsivolana hitazonany ny fahefany amin’ny maha filoham-panjakana azy aorian’ny fametraham-pialany, araka ny voalazan’ny lalam-pifidianana, dia ny valalabemandry indray no kasainy ampitahorina ka nanambarany fa mety hiteraka korontana ny fialany araka ireny fandaharana manokana nataony tamin’ny zoma lasa teo ireny. Fibodoana samirery ny serasera, indrindra fa ireo be mpijery sy izay maharakotra ny firenena hanangolena ny saim-bahoaka no tanjon’ny FAT amin’izao ary efa anisan’ny paikady ampihariny ireny fandaharana lavabe mandeha mivantana manerana ny Nosy ireny. Miala tsy ananana antra avokoa izay sakana amin’ny fanatanterahana izany. Izay indrindra no antony nanoloana sahady indray ny lehiben’ny sampandraharaha momba ny vaovao ao amin’ny fahitalavi-pirenena raha vao volana vitsy monja no nisahanany ilay andraikitra. Ny alakamisy lasa teo no nandray ny andraikiny io olona io.

Raha ny siosion-dresaka avy amin’ny mpiasa dia noho ilay teo aloha nandefa ny vaovaon’ny ankolafy Ravalomanana sy nanome sehatra be loatra ireo kandida hafa ao anaty vaovao no voalaza fa nanilihana azy. Mety ho diso paika sy fanantenana anefa ny FAT amin’ity tomponandraikitra vaovao vao notendreny ity satria olona akaiky ny kandida Pierrot Rajaonarivelo hatramin’ny taona 2002 sady mpandrakotra ny vaovaony amin’ireo fitsidiham-paritra tanterahany ankehitriny izy. Tao anatin’ny iray taona monja izao dia efa telo sahady ireo lehiben’ny sampandraharaha nifandimby tao amin’ny TVM ary tsy fantatra ny tohiny. Endriky ny tsy fahatokisantenan’ny FAT avokoa izany ka ny mpiasan’ny fahitalavi-pirenena no mizaka azy. Tonga amin’ilay fitenenana hoe : “Ny tarehy no ratsy ka ny volo no aholakolana”, ny fahitana azy.

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT