Actualités

Tsy voafehy ny andiam-balala Mananontanona ny mosary, lasibatra ny zaza latsaky ny 5 taona


  • Talata 23 Jolay 2013

Tsy mbola tena hita ny vahaolana amin’ny firongatry ny andiam-balala eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Raha ny zava-misy aloha dia rakotra tanteraka ny faritra tapany atsimo sy andrefan’ny Nosy.

Manoloana izany dia mampaneno lakolosy ny fikambanana tsy miankina frantsay “Action contre la faim” fa manomboka lasibatra voalohany amin’ny tsy fahampian-tsakafo ireo ankizy latsaky ny 5 taona ary raha tsy misy ny fandraisana andraikitra dia hahazo vahana izany amin’ny taona ho avy. Raha ny salan’isa naroson’ity fikambanana tsy miankina vahiny ACF ity, efa maherin’ny antsasak’ireo zaza ireo no efa misakafo tapa-kibo ka ny 3% amin’izany dia efa tonga amin’ilay antsoina hoe “fahafatesana mananontanona”.

Araka ny fanambarana ofisialy navoakan’ireo tompon’andraikitry ny ady amin’ny hanoanana frantsay dia tsy azo antoka ny hoavin’ireo ankizy Malagasy satria tsy voahaja ireo zo fototra hananan’ny olom-pirenena toy ny rano fisotro madio, ny fahasalamana, ireo fotodrafitrasa fahadiovana sy fidiovana, indrindra ny sakafo mifandanja. Niha nahazo vahana ny tahan’ny fahantrana teo anelanelan’ny taona 2005 sy 2010, raha ny tatitry ny ACF satria dia nitombo ho 7% ka mihoatra ny 11 tapitrisa ireo olona miaina eo ambanin’ny fahantrana eto Madagasikara. Raha raisina fotsiny ohatra ilay hoe latsaky ny 2 dolara isan’andro no vola miditra amin’ny 92%-n’ny tokantrano Malagasy dia tsy misy afa-tsy 2.133 kaloria no entin’izay, tontolo andro.

Raha ny antontan’isa vinavinan’ny sampandraharaha eo anivon’ny firenena mikambana misahana ny sakafo dia ho rakotry ny andiam-balala ny 2/3-n’ny firenena ny volana septambra ary hanodidina ny 40 hatramin’ny 70% ny fatiantoka amin’ny voly vary sy katsaka. Na dia tsy ampy aza ny hoenti-manana dia nanamafy ny fahavononany ireto fikambanana misahana ny maha olona ireto hanampy an’i Madagasikara amin’ny famongorana tanteraka ireo andiam-balala manimba voly ireo.

 

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT