Actualités

Tsy nohadinoin’ny tetsy amin’ny Kianjan’ny Finoana Magro Behoririka omaly alakamisy 5 mey ny nanokana iray minitra fahanginana nentina nahatsiaro sy nanomezam-boninahitra ny zokibe Gabriel Ramananjato izay nindaosin’ny fahafatesana tamin’ny andron’ny 3 me


  • Zoma 06 Mey 2011


Fanehoana ny maha Malagasy sy fandalana ny demokrasia izany fihetsika izany. I Tompokolahy rahateo dia tsy iza fa zoky lahimatoan’ny Depiote Rakotomanjato Rodin mpitari-tolona eny amin’ny Magro. Ny feo heno eny an-kianja amin’ny ankapobeny dia mampahatsiahy ny fahasahiana sy tsy fanekena lembenana niainan’ity andrarezin’ny asa fanaovan-gazety ity fony fahavelony.

Tahaka izany ny nilazan’i Manoela omaly fa “tsy maintsy hisy hetsika hatao mialoha ny 20 mey fa tsy lasa intsony izao. Efa mihetsika ny mpianatra, mihetsika ny mpivarotra”. Nohamafisin-dRtoa Rasoaniaina Malalatiana izany tamin’ny filazana fa ny fifidianana kasain’ny FAT hatao dia tsy hanan-kery raha tsy eo ireo filoha sesintany roalahy, ary mivoaka ny fonja ireo gadra politika rehetra. Nomarihan’ity andriambavilanitra mpitari-tolona MFM ity ny zava-nanjo azy ireo tamin’ny andron’ny 1 mey fetin’ny asa. “Narahan’ny Emmoreg izahay nefa maneran-tany dia afaka maneho hevitra tsara rehefa andro malaza tahaka ireny. Aiza ny demokrasian’ny Gasy dradraina lava tao anatin’ity tetezamita ity ?».

 
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT