Actualités

Tsy nitsitsy ny FIP Jiolahy 4 maty voatifitra, basy 3 sy bala maro sarona


  • Zoma 19 Jolay 2013

Nandriaka ny ra. Notanterahin’ny “Force d’Intervention de la Police” (FIP) ny voalazany amin’ny fametrahana ny filaminana ao Toamasina tampon-tanàna.

 

Maty voatifitr’izy ireo ny jiolahy efa-dahy anisan’ny mpanao ireo fanafihana mitam-piadiana tato ho ato tao Toamasina, dia i Belahady Marcellin, 25 taona, avy ao Fenoarivo Atsinanana – Clara Antoine Martin, 35 taona, avy ao Ampasimbe rahalahin’i “Gae” izay jiolahy mbola ifampitadiavana – Verone Félix, 41 taona, avy any Mananara avaratra  ary Randrianirina na Dinah na Ralava, 26 taona, avy any Soanierana Ivongo. Nisy basy telo koa tratra tany amin’izy ireo ka ny roa dia basy poleta marika “UNIQUE”, ny iray kosa dia basy vita gasy namboarin’ireto jiolahy ihany. Nisy bala 10 koa tratra niaraka tamin’izy ireo, bala mitondra ny marika “LM 97” anisan’ireo very teo amina toby iray tao Toamasina tamin’ny taon-dasa.

Raha ny fanazavana azo dia tao Ankirihiry Atsimo no nanomboka ny “opération” ny alarobia tolakandro. Tafaporitsaka anefa ireto jiolahy ireto raha efa fantatra fa niketrika fanafihana mitam-piadiana. Nitsongo dia azy ireo ihany anefa ny polisin’ny FIP noho ny vaovao azon’izy ireo, ka ny alin’io alarobia io, teny amoron-dranomasina manakaiky ny tetezan’ny hopitaly be indray no nahitana ireo jiolahy saingy mbola tafaporitsaka hatrany. Raikitra ny fifanenjehana. Teo am-pirevena tao Tsararivotra Tanandava ireo jiolahy no tonga tampoka ny FIP ka raikitra ny fifampitifirana ary teo no nahalavo azy efa-dahy saingy mbola tafaporitsaka ny iray antsoina hoe “Ismael” na “Ra Commandant”. Nisy ny fanarahan-dia natao azy saingy tsy tratra. Nandritra ny fisavana ny tranony tao Ankirihiry no nahatrarana basy roa dia ilay marika “UNIQUE” iray sy ilay basy vita gasy.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT