Vao manka nanamafy ny fiaraha-mientan’ny mpampianatra sy mpanabe ny ramatahora nataon’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena ny zoma lasa teo izay naverimberina tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray teto an-drenivohitra ny faran’ny herinandro teo.
Ho an’ny teto an-drenivohitra sy ny manodidina dia nanatanteraka fivoriana vao maraina ny mpampianatra ka nanapa-kevitra hanohy fitokonana. Nisy ny nihazo an’Anosy avy hatrany fa tao koa no namonjy fodiana rehefa nahavita ny fanamarinam-pahatongavana. Nalefa nody kosa ny mpianatra izay tonga maro be. Nahatohina sy nahatezitra mafy ireo SEMPAMA ny fandrahonana hanapaka karama nataon’ny minisitra Manoro Régis, araka ny filazan’ireo mpanabe nanontaniana. «Fanaovana tsinontsinona mihitsy ireny kanefa vao mainka izahahy hitokona ka ho hita eo raha sahy izy». Misy ihany anefa ireo mpampianatra vitsy izay karamain’ny FRAM no niasa toy ny tao amin’ny lisea Jules Ferry sy teny amin’ny lisea Ambohimanambola. Marihina fa nitety ireo sekolim-panjakana teto an-drenivohitra ny sekretera jeneralin’ny ministera niezaka nanentana ny mpanabe hiverina hiasa sy hamono afo ihany koa raha nampanantena ny tenany fa tsy hisy ilay fanapahana karama. Tsy nisy nanaiky hanaraka ny antsony anefa ireo sekoly noteteziny ireo ary nisy mihitsy aza nandroaka azy ny mpampianatra sasany araka ny tatitra nataon’ny SEMPANA nanao hetsika tetsy Anosy. Nifindra teo anoloan’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena indray moa ireto mpitokona ireto omaly hialana amin’ny fanafangaroana ny hetsika ataony amin’ny politika satria nilaza hidina teny an-toerana ny ankolafy Ravalomanana. Tsy nisy rahateo ny fanakanana nataon’ny mpitandro ny filaminana saingy ireo fiara 4x4 vaovao vao nomen’i Andry Rajoelina no nandalo matetika no sady nandefa vovoka manempotra hanapariahana ireo mpivory an-dalambe. Nahoraka teny an-toerana kosa anefa ny «Amidio ny Airbus, esory i Manoro Régis» izay niarahan’ny SEMPAMA sy mpianatra sasantsasany niredona nandra-mpiandry ny fahatongavan’ny mpandrindra nasionalin’ny SEMPAMA tamin’ny mitataovovonana latsaka kely.
Yves
Encadré
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.