Actualités

Tsy niandry ny andro zoma Mamaivay sahady ny delestazy


  • Alarobia 12 Oktobra 2022

Araka ny efa nanampoizana azy sy ny efa fahazarana mihaino ilay hoe "aoka hihevitra izany ho toy ny tsy tapaka"

fanaon'ny orinasa JIRAMA ny mpanjifany dia tsy niandry ny andro zoma fa namaivay sahady omaly ny delestazy tamina faritra maro teto Antananarivo toa an'iny boriboritany fahatelo sy ny manodidina azy iny. Ny zoma 14 oktobra izao, raha tsiahivina, no nambaran'ny tale jeneralin'ny Jiro sy rano malagasy fa hiaton'ilay milina faha 4 mpanampy herinaratra mandritry ny 4 andro. Hiaina fahatapahana herinaratra mandritry ny 4 andro, noho izany, manomboka amin'ny 10 ora alina hatramin'ny 5 ora maraina i Antananarivo mandritr'ireo andro ireo, hoy ny fanazavana. Omaly tamin'ny 5 ora hariva teo anefa dia efa tsy zaka sahady izay fahatapahana herinaratra izay ho ana faritra maro teto an-drenivohitra. Asa fotsiny izany izay hitranga manomboka amin'io zoma io. Tena ho voahaja tokoa ve fara faharatsiny ilay hoe amin'ny 10 ora alina hatramin'ny 5 ora maraina sa sanatria hihoatra lavitra izay fe-potoana izay ilay fahatapahana
? J.Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT