Actualités

Tsy nahazo fisotroan-dronono Sempotra ary maty tampoka ilay ramatoabe


  • Sabotsy 20 Jolay 2013

Ramatoa iray, tokony ho 90 taona, no maty tampoka noho ny tsy fandraisany fisotroan-dronono ny alakamisy 18 jolay lasa teo. Raha ny vaovao azo tamin’ny fianakavian’ny maty dia voalaza fa niainga tao an-tokantranony toy ny fanaony ary handeha handray ny vola fisotroan-drononony ity ramatoabe ity.

Rehefa tonga teny amin’ny tahirimbolam-panjakana anefa ny tenany dia akory ny hagagany fa nolazain’ilay tompon’andraikitra tao fa tsy ao intsony ny anarany sy ny laharany. Niezaka nitady fanazavana ny tenany fa valy boraingina, hono, no azony no sady nilaza ilay tompon’andraikitra fa “Tsy misy fantatray izany fa manatanteraka baiko no asanay eto”. Asa na noho ny alahelo na ny hatezerana fa dia sempotra mafy ramatoabe nandray posy nandeha nody ka nony tonga tany an-tranony dia nanangan-torana ka dia tsy niverina intsony ny ainy. Tezitra noho izany moa ireo fianakaviany ka nilaza fa hametraka fitoriana satria voalaza fa zokiolona maromaro no sendra ity vavabe tao amin’ny Trésor Antsirabe ity.

Caïus Raharison

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT