Tsy niandry ela ny manampahefana teo anatrehan’ny raharaha savorovoro tao
amin’ny Oniversiten’Antsiranana ny alin’ny alatsinainy teo. Raha tsiahivina dia nisy ny fandorana ireo antontan-taratasy tao amin’ny Birao momba ny raharaha sosialy sy fangalarana solosaina noho ny tsy fahafaliana nateraky ny fahatapahan-drano, nampian’ny fahatapahan-jiro. Niditra tamin’ny fandravana ny hetsika ny mpitandro ny filaminana, ka nifamaliana ny tora-bato sy poa-basy. Manodidina ny 14 ny mpianatra voasambotra ny talata teo, ary raha ny vaovao azo omaly, dia mpianatra 5 no nampidirina am-ponja vonjimaika taorian’ny savorovoro nanomboka io omaly alarobia io. Natolotra fampanoavana ny talata ihany ireo mpianatra 14 voarohirohy ho nanao herisetra narahina fanimban-javatra, ka dia io nampidirina am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’Antsiranana ny dimy tamin’izy ireo. Tsara ny mampahatsiahy, fa isan’ny voaresaka tao anatin’ny Fivorian’ny OMC-Nasionaly notarihin’ny Praiminisitra ny talata tontolo andro ny sakoroko sy savorovoro eny amin’ny oniversite. Nanome toromarika mihitsy ny hisian’ny sehatra ifanampiana eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny oniversite eo anatrehan’ny ambarany fa fambolena korontana. Tsy misy resaka “franchise universitaire” intsony satria efa mafana ny raharaha, ka efa miditra an-tsehatra sy miorim-ponenana any amin’ny faritry ny oniversite sy ny toeram-ponenan’ny mpianatra mihitsy ny mpitandro filaminana. Na izany aza, misy andraikitra andrasana takiana amin’ny Fanjakana amin’ny fitondrana vahaolana maharitra eo anatrehan’ny olana samihafa, fa tsy boriboriana amin’ny fomba firesaka matetika hoe: misy ambadika politika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.