Tranga tsy aritra ary nisintona ny sain’ny mpanara-baovao ny zava-misy tato anatin’ny roa volana izay ny teo anivon’ny foloalindahy Malagasy.
Ny nanombohan’izany dia ny fisian’ny fivoriana matetika teny Andohalo teny. Ireo manamboninahitra manana andraikitra ambony isaky ny toby miaramila no voaantso matetika teny amin’ny Cemgam. Nandeha avy eo ny siosion-dresaka fa tsy mifankahazo ny minisitry ny fiarovam-pirenena sy ny lehiben’ny etamazaoron’ny tafika ary samy mitady paika hifanilihana. Nampiantso mpanao gazety avy hatrany moa ny jeneraly Rakotoarimasy Lucien, minisitry ny fiarovana fa tsy mitombina izany rehetra izany fa mety tsara ny fifandraisana ary iray tsy mivaky ny tafika. Nahoraka indray avy eo ny miaramila nivadika jiolahy ka miray petsapetsa amin’ireo mpanafika eto Antananarivo sy ny manodidina, ary dia voaporofo mihitsy fa basy sy bala avy amina toby eto an-drenivohitra no ampiasain’ireo mpanao asa ratsy ireo. Dia nandeha ihany koa ny resaka fa misy mpanao politika mikotrika fanonganam-panjakana miaraka amina manamboninahitra maromaro. Tato ho ato dia misy hatrany ny fihaonana sy fivoriana etsy sy eroa ataon’ireo manamboninahitra efa misotro ronono, sy am-perinasa. Ary farany, nanomboka nahoraka indray fa hisy hetsika goavana hotanterahan’ny miaramila indray, hono, satria efa maro any anaty toby any, na manamboninahitra io, na manamboninahitra lefitra na vatamiaramila tsotra no tsy faly amin’ny zava-mitranga ankehitriny.
Tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity dia nisy manamboninahitra kolonely iray hita faty tao an-tranony ka diam-bala iray no teo amin’ny fony, ary nahitana basim-borona teo akaikin’ny vatana mangatsiakany. Tsy nahare poa-basy ny olona teo amin’ny manodidina, tsy nisy nahatsikaritra zavatra hafahafa koa anefa, araka ny filazan’ny teny an-toerana. Tsy hoe trano tena mitokana anefa ny fonenan’ity manamboninahitra niasa tao amin’ny Rezimata miaramila voalohany (RM1) ity, ary raha ny fahafantarana azy dia mafimafy ihany ny feo amin’ny fipoakana basim-borona izany. Maro no miahiahy zavatra hafa ao ambadik’iny fahafatesana manambonihitra kolonely iny. Iray andro taorian’izay tranga mampalahelo izay dia tonga teny amin’ny CAPSAT Soanierana ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina nanolotra ireo fitaovana vaovao ho an’ny miaramila sy ny zandary ary ny polisy. Fanamiana miaraka amin’ny kiraro sy fehinkibo izy io, ary samy hahazo ny anjarany avokoa ny rehetra, araka ny fanazavana. Izao no natao, araka ny fanazavana, dia mba hialana amin’ny fisandohana etsy sy eroa satria maro loatra ny jiolahy manao fanamiana sy mitondra basy ka milaza fa miaramila na zandary. Fa tena handaitra ve izany ?
Ny sasany mantsy any anaty toby mihitsy no mampanofa ny fanamiany sy ny basiny. Koa na ovaina isam-bolana aza ny fitaovana, rehefa goragora ny fanaraha-maso dia hitohy foana ny fisandohana. Angom-baovao tetsy sy teroa no ahalalana fa misy zavatra tsy milamina ao amin’ny foloalindahy ao. Tafiditra ao mantsy ny resaka vola sy fiaviana ary firehana politika ary lesona ratsy ho an’ny miaramila sy ny zandary ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Izay rehetra tsy mitovitovy hevitra amin’ny lehibe izao dia haka fitaovam-piadiana sy namana maromaro dia hidrinkina tsy handray baiko ary hikomy. Main’ny afo natsangany ihany ny FAT raha ny tena marina ary ho sahirana handamina ny foloalindahy satria hafa noho ny an’ny sivily ny fomba fisainan’ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.