Actualités

Tsy manan-tsata eto Madagasikara Lehilahy no ankamaroany


  • Alakamisy 14 Jolay 2022

Nisy tanjona fanafoanana ny tsy fananan-tsata eran'izao tontolo izao nanomboka ny taona 2014 ary vinavinaina ho tontosa amin'ny 2024,

hoy ny mpahailalana eo anivon'ny fikambanana Focus development, Lova Razafiarison. Tanjona napetraky ny rantsa-mangaikan'ny firenena mikambana misahana ny mpitsoam-ponenana izy io, hoy izy. Ny olona tsy manana zom-pirenena no atao hoe tsy manan-tsata. Ny lalana mifehy ny zom-pirenena eto Madagasikara dia norafetina ny taona 1960. Ao no misy ireo endrim-panavakavahana mahatonga ny olona iray ho "apatride". Isany, ohatra, ny mihatra amin'ny maha vehivavy. Eo koa ny resaka fivavahana sy fihaviana. Ny taona 2017 dia nisy fanovana na fanitsiana io lalana io tamin'ny alalan'ilay lalana 2016-038. Ny zava-dehibe nentin'izy io dia ny fahafahan'ny vehivavy malagasy mamindra tsy misy fepetra ny zom-pireneny amin'ny zanany raha toa ka talohan'io 2017 io dia tsy afaka manao izany ny vehivavy malagasy raha tsy "apatride" ilay vadiny na teraka ivelan'ny fanambadiana ilay vehivavy. Nanafoana trangana tsy fananan-tsata amin'ny ampahany teto Madagasikara io saingy tsy midika fa foana tanteraka izany ankehitriny. Mbola misy "Apatride" eto ary antony mbola tsy maintsy hanoizana ny ady amin'izany, hoy hatrany ny tenany. Miisa 626 ireo olona tsy manan-tsata eto Madagasikara, raha ny antotan'isa farany tamin'ny alalan'ny RGPH ny taona 2018. Lehilahy ny 66%n'ireo, izany hoe, ny ankamaroany, raha toa ka vehivavy ny 34%, raha ny fampitam-baovao hatrany.
J.Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT