Actualités

Tsy manaiky ny zava-misy Misy andiana manamboninahitra mivorivory


  • Alakamisy 17 Martsa 2011


Mahakasika ity raharaha ity ihany dia fantatra fa misy andiana manamboninahitra efa manomboka mivorivory omaly mba entin’izy ireo hanehoana ny tsy fahafaliam-pony mahakasika ny zava-misy amin’izao fotoana, amin’ny ankapobeny, ary indrindra koa ny momba ny fitazonana an’i Mamy Rakotoarivelo. Ity farany moa dia ray mpiahy ny andiany faha-15 nivoaka tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe.

Teny amin’ny manodidina an’i Manakambahiny teny izy ireo no saika hivory omaly saingy nahemotra indray izany noho ny antony tsy fantatra. Raha ny tsikaritra aloha amin’ny ankapobeny dia samy nahita avokoa ireo izay manana fahaizana kely momba ny fanadihadiana fa tsy mandeha amin’ny laoniny ny ataon’ny DST. Nisy fanerena tao ambadik’io, raha araka ny fijerin’ny manamboninahitra vitsivitsy izay sendra azonay hevitra manoloana ny zava-mitranga. Heverina fa tonga saina, araka izany, ireo manamboninahitra mivorivory ireo satria lasa lavitra loatra ny kilalao politika eto amintsika ka mba tapa-kevitry ny hitsangana amin’izay...

 
r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT