Marary ny Air Madagascar. Ambavahaona mihitsy raha ny fisehon-javatra tato ho ato no fakafakaina. Fantatra indray mantsy izao fa tsy ho afa-mihetsika intsony ireo Boeing 737 roa hofain’ity kaompaniam-pitaterana nasionaly ity manomboka anio alarobia 06 novambra, nitsingerenan’ny nahamay ny Rovan’i Manjakamiadana.
Araka ny loharanom-baovao dia tsy mba olana ara-teknika na tsy fisiana solika no antony, fa resa-bola. Ity loharanom-baovao ity ihany no manazava fa tsy voaloan’ny Air Madagascar ny hofan’ireo Boeing 737 ireo, ka nandray fepetra ny tompony ary mety halainy mihitsy aza ny fiaramanidiny. Marihina fa niantoka ny zotra anatiny sy ny zotra rezionaly mampifandray amin’ireo Nosy manodidina sy Afrika Atsimo ireo Boeing ireo. Fiaramanidina ATR 72 roa sy Twin telo aloha izany no hisahana ireo zotra ireo, indrindra ny zotra anatiny. Fa tamin’ny alina teo koa dia tafahitsoka ao Parisy ny fiaramanidin’ny Air Madagascar ka voatery nampidina ny mpandehany tokony hihazo an’i Madagasikara, ary niantoka ny fiantranoan’izy ireo amin’ny hotely mandra-pandray ny sidina indray. Tsy vao izao no nisedra olana ity kaompaniam-pitaterana nasionaly ity tato anatin’izao tetezamita izao. Tsiahivina fa tsy navelan’ny Eoropeanina hisidina ny habakabany ny Boeing nampiasain’ny Air Madagascar, fa hoe sady antitra no tsy voakarakara ka sao mampidi-doza, ary tafiditra tao anaty lisitra mainty. Dia io mampiasa Airbus io, izay niteraka resabe ny safidy sy ny fifanarahana natao aminy. Idiram-patiantoka lava ny Air Madagascar ; filohan’ny filankevi-pitantanana ao anefa ny minisitry ny vola sy ny tetibola, izay lasa kandida filoham-pirenena ankehitriny, Hery Rajaonarimampianina. Betsaka ny fanontaniana manitikitika ny saina manoloana izao zava-misy izao.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.