Tsy filaminana

> Mpiasan’Ambatovy hody nodarohan’ny “Saka Mainty”


  • Sabotsy 08 Martsa 2014


Lasa resa-be ao Toamasina ny zavatra ataon’ireo lazaina fa “Saka Mainty” noheverina fa hametraka ny filaminam-bahoaka ao an-toerana ankehitriny. Raim-pianakaviana iray monina ao Anjoma avy niasa tao Ambatovy ka taraiky noho ny asany nody alina ny zoma 28 febroary tokony ho tamin’ny 11ora sy sasany, no nifanehitra tamin’ireo andiana polisy “Saka Mainty” teo amin’ny tetezam-by mampisaraka an’Anjoma sy Dépôt. Araka ny fanazavany dia tsy nanao fanamiana polisy ireto nanakana azy nefa nekeny ny fisavana kara-panondro nataon’izy ireo ary mbola nasehony ihany koa ny “badge” maha mpiasa ara-dalàna azy ao Ambatovy. Tsy nijanona teo fa nosavaina hatramin’ny sakosy nentiny, ka teo, araka ny voalaza, no nakan’ireto mpisava ny vola Ar.140.000 tao anatin’ny poketra sy ny fanalahidin’ny birao. Nandeha hatramin’ny daroka sy vely fehikibo ka namparatra mafy ilay rangahy tsy nahafahany niasa. Nametraka fitoriana eny anivon’ny fampanovana ilay raim-pianakaviana noho ny daroka sy halatra natao taminy, ka ho hita eo ny tohin’ny raharaha.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT