Tapitra ny Ramadany na ny iray volan’ny fifehezana ho an’ny mpino Silamo ka nivoaka tamin’ny fahanginany amin’izay ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas voafidy tany amin’ny distrikan’i Betroka.
Nanambara izy fa na dia filohan’ny vaomieran’ny fandriampahalemana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena aza ny tenany dia tsy afaka mitsidika an’i Madagasikara manontolo hiresaka ny tontolon’ny tsy fandriampahalemana sy ny soso-kevitra hitany fa mety hahafoana an’izany tsikelikely, raha tsy milamina aloha ny tontolon’izany fandriampahalemana izay ohatry ny somary goragora tao ho ao. Azoko ambara fa efa nihena hatrany amin’ny 98 % any ho any ny tsy fandriampahalemana ankehitriny any Betroka ka hangataka solika amin’ny tompon’andraikitra mahefa ny tenako mba hahafahana mitondra ny soso-kevitra natao tany Betroka hampiharina any amin’ny faritra hafa manerana ny nosy, hoy izy. Mikasika ny volavolana fehezan-dalàna mifehy ny fifandraisana mahabe resaka ankehitriny kosa dia nambarany fa raha vonona hanao ny asany amin’ny fitaterana vaovao mahitsy sy marina ny mpanao gazety dia tsy hita izay hatahorana amin’io. Hanangana ny “Commission d’enquête” tamin’ny zava-niseho natao tety amin’ny Lapan’i Tsimbazaza tamin’ity herinandro ity izahay depiote tamin’ireny fandakana varavarana natao sy fanompana depiote nisy ireny, hoy ny depiote Nicolas Randrianasolo.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.