Namono olona tany amin’ny Distrikan’i Betroka indray ny dahalo. Olona handeha hivarotra omby ao an-tsenan’Analamary no lasibatra ny alatsinainy 12 aogositra teo, ka maty ny roa.
Tena efa mampiteny ny moana mihitsy ity tsy fandriampahalemana any amin’ity Distrika misy anay ity, hoy ny CT Randrianasolo Nicolas, ka tsy mitsahatra ny miteny sy manao antso avo izahay ny mba hijeren’ny tompon’andraikitra mahefa ny toe-draharaha. Inona no hiafaran’ny olona raha mitebiteby lava isan’andro vaky izao ka tsy mampandeha amin’ny laoniny ny asa fanaony andavanandro ? Ny heno matetika, hoy ity CT ity, dia hoe tsy ampy fitaovana ny mpitandro ny filaminanana any an-toerana. Fiara iray monja ohatra no mba ananan’ny tobin-jandary iray, ary amin’izay indray fiara maty lava. Ny tena anefa raha miteny izany zava-marina izany dia anaovana antsojay. Tsapa anefa, hoy hatrany ity CT ity, fa tsy ampy ny sandan’ny fanatanterahana asa (motivation) ho an’ireo mpitandro ny filaminana ambany grady, ary mazana aza dia tsy azon’izy ireo akory izany, ka toy ny maniraka azy ireo hanao risoriso ny lehibeny amin’izany. Tokony ho jeren’ireo lehibe io resaka io vao manasazy ny ambany grady izy ireo fa tsy fitaizana ny madinika ny fanasaziana azy. Izy ireo aza, hoy ny CT Randrianasolo Nicolas, dia efa manao ny ainy tsy ho zavatra ary maro no efa namoy ny ainy. Koa mila atao matotra io “motivation” ho an’ny mpitandro ny filaminana io mba hampitombo ny risim-pon’izy ireo.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.