Tsy fandriampahalemana any atsimo

> Miraviravy tanana ny mpitandro filaminana satria …


  • Alarobia 30 Oktobra 2013

Heno tamin’ny fampahalalam-baovao isan-tsokajiny nandritra ny andron’ny fifidianana ny ho filoham-pirenena natao ny zoma 25 oktobra teo, hoy ny MCT Randrianasolo Nicolas, ny fahasahian’ny olon-dratsy namono tompon’andraiki-panjakana tamin’io andro io.

Tena sahy ireo dahalo ka mampiaiky volana sy nampiraviravy tanana ny vahoaka. Izaho dia sahy manambara fa efa nihena ihany ny tahan’ny tsy fandriampahalemana tany amin’ireo faritra ireo tao ho ao noho ny fampiharana ny voalazan’ny boky nosoratako dia ny torolalana momba ny tsy fandriampahalemana efa vita tany amin’ny fiandohan’ny tetezamita saingy very an-javony ny ezaka natao satria paikady hafa, tsy mifanaraka amin’ny zava-misy velively no nampanaovina ny mpitandro filaminana. Vokany, niafara tamin’ny fisian-dry Remenabila sy ny forongony izay saika tsy voatohitr’ireo mpitandro filaminana ireo sady tsy resy tosika hatramin’izao, ny raharaha. Kapoka mafy ho an’ny mpitandro filaminana malagasy mihitsy ireny nataon-dry Remenabila tany atsimo ireny, hoy ity parlemantera avy any Betroka ity, ka simba ny sain’izy ireo satria betsaka loatra ny namoy ny ainy nefa tsy nisy fitsinjovana manokana ny fianakaviany. Dia nanakivy azy ireo mazava loatra ny vady aman-janany tsy hiroso any amin’ny kizo intsony. Ka ny vahaolana natolotry ny MCT Randrianasolo Nicolas ary averimberiny ombieny ombieny ny fanomezana “motivation” mivantana an’ireo mpitandro ny filaminanana ifotony hiverenan’ny hafanam-pony amin’ny ady atao amin’ny dahalo

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalĂ na ambony,

Hijery ny tohiny
FTT