Tsy faly amin’ny CES

> Nandon-databatra ireo mpomba an-dRajoelina


  • Talata 20 Aogositra 2013

Nandon-databatra omaly ireo mpomba an-dRajoelina nahitana ny TGV, ny UDR-C elatra Reboza Julien, ireo CT Tim fahiny lasa mpanohana ny filohan’ny FAT manoloana ny nanihan’ny CES ireo kandida vaventy.

Namorona anarana vondrona atao hoe : “Hetsiky ny fitiavan-tanindrazana mitaky fifidianana malalaka” izy ireo. Nilaza ny CT Tsiebo Mahaleo avy amin’ny TGV fa tsy rariny ny fisakanana ny vahoaka hifidy izay olon-tiany. “Nahoana no terena hisafidy ny gadra lava, olona efa nanao sesitany ny tenany noho ny halatra volam-panjakana ary kandida manana raharaha ara-pitsarana ny Malagasy ?”, hoy izy. Noharin’ny CT Voahanginirina Laurette amin’ny hazakaza-tsoavaly kosa ny zava-misy ka nilazany fa nahintsana avokoa ireo “favori” fa lasa adin’ny “outsiders” no sisa. Amin’i Avimana indray dia sady mifanipaka amin’ny “inclusivité” sy “consensualité” ambaran’ny tondrozotra izao fanapahan-kevitry ny CES izao no mbola mifanohitra amin’ny fitoniana sy fampihavanana kasaina hapetraka koa.

Samy milaza ho tsy tompon’andraikitra amin’izay zavatra hiseho noho io fanapahan-kevitra io moa ireo nandaha-teny rehetra. I Mananjara Fidson na Rasomotra indray dia nanamafy fa sarotra ny hanao fifidianana tsy misy ny ankolafy 4, fototry ny krizy satria olon-tsy fantatra avokoa ireo hafa rehetra. Nahagaga ihany ny fanehoan-kevitry ny “Hetsiky ny fitiavan-tanindrazana mitaky fifidianana malalaka” satria toa mifanipaka amin’ny hevitr’i Andry Rajoelina ny fihetsik’izy ireo. Tanteraka amin’ny alalan’io didy navoakan’ny CES io mantsy ilay filazan’ny filohan’ny FAT fa manaiky hiala andaharana ny tenany raha misintaka koa ny kandida Lalao Ravalomanana sy Didier Ratsiraka. Manao sinema sa tena izy izany ny Hetsiky ny fitiavan-tanindrazana mitaky fifidianana malalaka ?

 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT