Manampatra fahefana sy tsy mahazaka demokrasia ny FAT. Nosamborina noho ny famelana ny Komity mpanohana an’i Lahiniriko hampiasa ny kianjan’Antsahamanitra ny taleny, ny pastora Rarivoson Dinand tamin’ny 12 jolay.
Tany Andranofasika Ankarafantsika ny tenany no nosamborin’ny zandary ka notazonina tao amin’ny tobin-janaparitra tao Marovoay raha handeha hamonjy fivoriana tany Mahajanga. Manoatra noho ny jiolahy no natao azy. “Na dia handeha hivoaka aza dia nambanana basy kalaky ny tenako. Noho ilay alalana nomeko no nisamborana ahy satria nolazaina fa mpanakorontana”, hoy ity pastora ity. Tsy nanao heloka na namingavinga olona anefa ny tenany fa fanomezan-dalana hanatontosana ilay hetsika fotsiny no nataony izay tsy misy tsininy satria fananan’ny FFPM, izany hoe itambaran’ny FJKM sy ny FLM ny kianjan’Antsahamanitra fa tsy an’ny fanjakana akory.
Nomarihany koa fa izay rehetra nangataka hampiasa ity kianja ity dia tsy misy milaza mihitsy fa hanao resaka politika fa hetsika ara-javakanto na fanompoam-pivavahana avokoa no antony aroson’izy ireny amin’ny fangatahana. Eo anatrehan’ny hamaroan’ny fikambanana politika mangataka hampiasa an’Antsahamanitra dia milaza ny pastora Rarivoson Dinand fa mila manao fangatahana any amin’ny Prefektiora koa izy ireny satria ity farany no manome ny alalana farany na dia efa nomeny alalana aza izany. Miantso ny mpitandro ny filaminana koa ny tenany mba hijery hatrany ny zon’olombelona amin’ny fanatanterahany ny asany fa tsy hanao fampiasan-kery tahaka izay natao ity olom-piangonana ity.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.