Tojo tsy fahasalamana tampoka ny Depioten’i Madagasikara voafidy tany
Ankazobe tamin’ny alalan’ny IRD dia ny Dr Ralalason Dera Harinjafimino, raha ny vaovao azo omaly hariva. Andrasana izay mety ho fanampim-baovao misimisy kokoa momba ny fahasalamany, fa raha ny vaovao vonjimaika azo omaly hariva, dia fahatapahan’ny làlan-drà na AVC (Accident Vasculaire Cérébral) no nahavoa azy. Nalefa tany amin’ny Hopitaly Anosiala, avy eo nafindra tany amin’ny HOMI etsy Soavinandriana, raha ny fanampim-baovao. Voalaza ihany koa fa nisy ny fangatahana EVASAN (Evacuation Sanitaire) ahafahana mitondra azy hotsaboina haingana any ivelany nataon’ireo solombambavambahoaka, saingy tsy fantatra ny tohiny hatramin’ny fotoana nanotanay. Taorian’ny Depiote Jao Jean voafidy tany Antsohihy, dia ny depioten’Ankazobe indray no tojo tsy fahasalamana tampoka. Ny 25 novambra lasa teo mantsy raha tsiahivina, no naiditra hopitaly maika taorian’ny fivoriana natrehiny teny amin'ny Primatiora Mahazoarivo ny Depiote Jao Jean. Tsy nisy nipika ny vaovao tao amin’ny fivoriana na naharitra adim-pamantaran'andro efatra teo aza tamin’io fotoana io, fa ny hany fantatra dia Atoa Jao Jean no voatery naiditra hopitaly maika taorian’io. Mirary fahasalamana ho an’ireo olom-boafidy tojo tsy fahasalamana isika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.