Noho ny fahamainan’ny atmôsfera izay mitondra rivotra maina dia angamba samy
nahatsikaritra isika fa 𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗺𝗽𝘆 𝗻𝘆 𝗼𝗿𝗮𝗻𝗮 any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy, hoy ny Sampan-draharaha mpamantatra ny mety ho toetry ny andro. Araka izany, misy ihany ny rotsak’orana, saingy manila ary tsy ampy. Distrika sy kaominina vitsivitsy ihany no misitraka izany ao amin’ny faritra Atsimo andrefana, Androy ary Anosy. Amin’ny vanim-potoana handalovana rivodoza vao ampoizina ny hisiana orana indray mahazo amin’ny faritra atsimo rehetra, araka ny vinavina. Mety hanontany isika hoe fa maninona no tsy hanaovana hetsika fandatsahana orana ny any atsimo ? Misy ny fepetra ara-natoraly (resaka rahona, atmôsifera, …) takiana amin’ny fanantanterahana izany ary tsy tomombana ny fandatsahana orana amin’ireo toerana any atsimo noho ny 𝐭𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐟𝐞𝐧𝐨𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐞𝐩𝐞𝐭𝐫𝐚 hahafahana manefa izany, hoy ny fanazavana ara-teknika. Hisitraka rotsak’orana kosa ny tapany avaratry ny faritra atsimo ny alakamisy 28 sy zoma 29 Janoary ho avy izao, raha ny tomban’ny sampan-draharaha mpamantatra ny mety ho toetry ny andro hatrany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.