Actualités

Tsy fahaiza-mitantana sy ny tsy fanarahan-dalàna “Tsy marin-toerana intsony ireo andrim-panjakàna”


  • Alarobia 14 Desambra 2022

Manoloana ny zava-mitranga eto amin’ny firenena, rehefa nivory ny birao politikan’ny antoko Malagasy Miara-Miainga dia manao izao fanambarana manaraka izao, hoy ny MMM. Araky ny lalampanorenana dia adidin’ireo

solombavambahoaka ny manara-maso ny asan’ny governemanta, hoy izy ireo. Ny fitsipaham-pitokisana izay nataon’izy ireo, araka ny andininy faha-103n’ny lalampanorenana dia maneho ny fahitan’ny olompirenena izay soloin’izy ireo tena fa tsy mahomby intsony ny fitantanana amin’izao fotoana izao. Nofoanana tsy araka ny lalàna velona nefa izany rehefa avy nihaona tamin’ny filoham-pirenena ireo solombavambahoaka. Ankehitriny dia mbola nofoanana ihany koa ny fihaonana teo amin’ny governemanta sy ny antenimiera roa tonta, lazain’ny andininy faha-102n’ny lalampanorenana fa fotoana ahafahan’ireo solombavambahoaka sy loholona mitondra ny feon’ny vahoaka, izay arahana mivantana amin’ny haino aman-jery rehetra. Izany rehetra izany dia mampiseho fa tafiditra ao anaty krizy eo amin’ny samy andrim-panjakàna na “crise institutionnelle” isika noho ny tsy fanajàna ny lalàna velona eto amin’ny firenena, tsy fanajàna ny fisarahan’ny fahefana mpanatanteraka sy ny fahefana mpanao lalàna, tsy fanajàna ny hasin’ny olom-boafidy sy ny olompirenena nifidy azy. Fehiny dia tsy marin-toerana intsony ireo andrim-panjakàna noho ny tsy fahaiza-mitantana sy ny tsy fanarahan-dalàna ka dia miantso ny fampitsaharana sy ny famotehana ny firenena izay mampitombo ny krizy ara-tsosialy sy ara-toekarena efa iainan’ny olompirenena rehetra amin’ny fiainana andavanandro, hoy hatrany ny MMM.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT