Actualités

Tsy Aritra Tena malalaka hono


  • Alakamisy 24 Mey 2012

Mba nanaitra ihany ny fanambarana nataon’ny filohan’ny tetezamita ny amin’ny hoe : tsy mbola nalalaka tahaka ny amin’izao fitondrana tetezamita izao mihitsy ny fanehoan-kevitra hatramin’izay.

 Asa hoe fanehoan-kevitra inona no tiany hambara amin’izany. Tsy fantatra koa na efa be fanadinoana ingahy Rajoelina na mody fanina tsotra izao, fa vao tamin’ny 2009 anie izy no nitarika olona hidina an-dalambe, teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey sy teny Ambohijatovo e, fa tsy nisy Emmo-Reg nanakana azy ireo tamin’izany fa dia tafiditra soamantsara tao izy ireo. Nitarika vahoaka ny tenany hizotra teny Anosy teny amin’ny RNM sy TVM, mbola nanatitra ny vahoaka teny Ampasika ka nitso-drano azy ireo raha ho any amin’ny MBS izy ireo. Fa tsy mpitandro ny filaminana nanenjika sy nisambotra azy sy ireo mpiara-dia taminy tamin’izany fotoana izany. Ny filoha am-perinasa tamin’izany fotoana Atoa Marc Ravalomanana, izay olona voafidim-bahoaka, mihitsy moa no niteny fa izy mihitsy no tsy nampihetsika ny miaramila sy ny mpitandro ny filaminana mba hisorohana ny fifandonana sy ny ra latsaka. Ka mba mahagaga ihany ny hahasahian-dRajoelina milaza fa izao vao misy fahafahana, dia asa izany hoe inona no iantsoana, na hamaritana ireny olona naneho hevitra an-dalambe tamin’ny 2009 ireny. Raha ny fitadidian’ireo rehetra vavolombelona tamin’ny raharaham-pirenena sy ireo fihetsiketsehana tato anatin’ny 20 taona aza dia mahatsikaritra, fa nandritra izao tetezamita izao no tena nahery fihetsika ny mpitandro ny filaminana ary tena nanao izay tiany mihitsy.

Niaraha-nahita ny fisamborana miaraka amin’ny herisetra nataon’ny CNME, izay nivadika ho FIS taty aoriana; ny fidirana an-keriny tao amina trano fandraisam-bahiny sy tamina onjampeo tsy miankina teny 67Ha, ny fisamborana miaraka amin’ny hery, olona tsy meloka akory teny Itaosy, sy ireo tranga hafahafa maro be tsy ho voatanisa eto. Moa va tsy tena mampiorohoro ny olom-pirenena tsotra sy nanelingelina ny fahalalahany, ireny fihetsiky ny mpitandro ny filaminana tato anatin’ny tetezamita ireny ? Tsy averina hotantaraina eto intsony ny daroka mahazo ireo rehetra mikasa ny hiditra eny amin’ny Kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo, ka fahalalahana inona ary ity tian’Atoa Andry Rajoelina ambara ity e ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT