Ao anatin’ny kihon-dalana goavana amin’ny raharaham-pirenena sy ny famahana ny krizy ny eto Madagasikara amin’izao fotoana.
Fihetsiketsehana ivelany ny an’ny tetezamitan’ankolafy tokana tarihan’i Andry Rajoelina amin’ny hoe lisi-pifidianana sy fifidianana ary fivoriana tsy ara-potoana eny amin’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, fa raha ny tena marina dia miankina amin’izay ho fanapahan-kevitry ny SADC sy ny Vondrona Afrikanina sisa ny raharaha satria efa samy nandefa ny soso-keviny tany ireo ankolafy politika, ireny efa nifanesisesy nivoaka ireny ihany koa ny fijerin’ireo fikambanana iraisam-pirenena. Tsy maintsy hisy ny fanitsiana ilay sori-dalana, ka ny tapaky ny fivorian’ireo filoham-panjakana teo anivon’ny SADC tany Sandton no hosoratana ao fa tsy ny nofinofin’ny FAT na izay tian’ny Dr Leonardo Simao.
Na izany aza anefa dia fantatra fa mbola mafotaka ny fifandresen-dahatra any ambadibadika any, na eto an-toerana io, na any ivelany satria araka ny nambara tery am-boalohany dia ity no kihon-dalana goavana sy farany koa raha tsy tafavoaka amin’izao isika dia hanara-dia ireo firenena afrikanina tsy mety milamina tahaka an’i Somalia, izay efa ho 16 taona izao tsy misy fitondrana ara-dalàna sy mahafehy tanteraka ny firenena. Ny zavatra re hatreto aloha dia ratsiratsy toerana ihany ny FAT sy Atoa Andry Rajoelina satria mitaky ny hanaovana ny famotsoran-keloka faobe tamin’ny raharaha politika nitranga teto sy ny famelàna ireo olona rehetra voatery nanao sesitany ny tenany heverina an-tanindrazana ny sori-dalana hatao sonia, ary ny ahafantarana izany, araka ny nambaran’ny mpanaraka vaovao politika iray no mahatonga ny fitondrana tetezamita amin’izao fotoana manao hazakazaka arahin-tosika hikarakara fifidianana, mba hilazana fa ara-dalàna sy manaja ny demokrasia izy ireo. Efa tara loatra ihany anefa izany, araka ny fanambarany satria i Andry Rajoelina mihitsy tamin’ny alalan’ny sonia nataony tany Maputo dia efa nanaiky fa ny drafitra na sori-dalana nivoaka avy amin’ny alalan’ny diniky ny samy Malagasy eo ambany fiahian’ny mpanelanelana iraisam-pirenena no manan-kery sy tsy maintsy ampiharina amin’ny famahana ny krizy.
Ary maro ihany koa no mahafantatra tsara fa raha nanana eritreritra hanao fifidianana haingana izany ny FAT dia tsy tokony ho nandray anjara mihitsy tamin’ny dinika nokarakarain’ny SADC ary nikaroka mpamatsy vola hafa. Efa misy rahateo ny firenena milaza fa hanohana azy. Ny olana izao dia sahiran-tsaina tanteraka ny filohan’ny FAT, satria raha hanaiky ny fiverenan’ny filoha teo aloha eto izy dia hivadika aminy avokoa ireo mpanao politika nanohana azy sy ny olona niara-dia taminy. Raha hanakana izany indray anefa izy dia tahaka ny hoe mamaky ady amin’ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy satria mitsipaka ny fifanarahana vita sonia.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.