Actualités

Tsy Aritra Ny maty tsy miteny intsony


  • Alatsinainy 23 Jolay 2012

Sary indray mipika araka ny fomba fiteny ny fikomian’ireo miaramila teny amin’ny 1er RFI Ivato omaly, raha tamin’ny 5 ora maraina no nanomboka nirefotra ny basy.

 Ora 10 taorian’io dia nivoaka tsimoramora ka nitolo-batana ireo zazavao, nilaza fa noterena hanaraka ilay fikomiana, ora iray mahery taorian’izay dia fantatra fa maty i Mainty na kaporaly Black, nambara fa nitarika ny fikomiana. Nilatsaka ny vaovao ofisialy avy eo fa hoe voafehy ny toe-draharaha, miverina amin’ny laoniny ny zava-drehetra ary manamafy ny fitandroana ny fandriampahalemana ny Emmo-Reg. Dia niakatra ny soratra, hoy ny fomba fiteny. Hatramin’izao dia tsy mbola fantatra mazava ny anton’ilay fikomiana, ny nitarika azy rahateo moa, voalaza fa efa namoy ny ainy ka tsy hita izay hohadihadiana, ny maty tsinona tsy mety intsony ! Ireo zazavao rahateo milaza fa noterena ary tsy mahalala n’inon’inona. Dia nambara fa olona tena mafy loha ary tsy azo nohozongozonina amin’ny heviny ny kaporaly Black, araka ny vaovao navoaky ny fahitalavitra iray, akaikin’ny fitondrana omaly alina.

Dia izay angamba no tsy maintsy nitifirana sy namonoana azy, hoy ny mpandinika ! Dia mipetraka indray ny fanontaniana eto hoe : fa dia tsy maintsy novonoina ho faty ve ity kaporaly ity, fa tsy mba natao sambo-belona na nikarohana hevitra hafa. Isika anefa manana mpitandro ny filaminana afaka manao izany tsara. Maty izy izao, dia tombantombanana no betsaka fa tsy fantatra izay tena marina momba ilay fikomiana, tahaka ny hoe : nisy lehibe naniraka ve ireto andiana miaramila ireto, nahazo vola ve izy ireo hanaovany fikomiana, sa ve tena fanehoana ny fahasosoran’izy ireo manoloana ny zavatra manjavozavo ao amin’ny foloalindahy fotsiny, no nahatonga iny fihetsika iny.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT