Actualités

Tsy Aritra Nitsefotra sa ...?


  • Alarobia 25 Aprily 2012

Dia tsy raikitra indray izany ny fitokonana fanairana 24 ora saika nataon’ny mpitatitra teto Antananarivo Renivohitra.

 Nifanaraka, omaly, teny Ambodivona teny ireo kaoperativa 59 fa hahemotra amin’ny fotoana manaraka, tsy mbola fantatra, ny fitokonana. Mazava ny resaka eto fa nahomby ny fandresen-dahatra nataon’ny ministeran’ny fitaterana, ary dia nilefitra ny mpitatitra, na dia tsy mbola misy aza ny sombintsombina vahaolana hanampiana azy ireo. Lasa ihany eto ny eritreritra, fa inona ary no nitranga ? Tsy raikitra ilay fitokonana na dia efa natao nahoraka be mihitsy aza tamin’ny herinandro lasa teo iny ny serasera amin’ny fanatanterahana azy. Mandeha koa ny resaka fa tsy miray hina tsara ny mpitatitra. Samy hafa ny fomba fijerin’ireo kaoperativa, ary toa hoe misy mihitsy aza ny mpitatitra tsy mankasitraka intsony ny filohan’ny UCTU sy ireo mpiara-miasa aminy. Niverin-dalana ny mpitatitra, nahatafiditra baolina iray ny fanjakana.

Raha ny tombantomban’ny mpanara-baovao etsy sy eroa dia hitsefotra ity fitakian’ny mpitatitra eto Antananarivo Renivohitra ity, ka mety hivoaka miditra, miseho kely dia tsy hita avy eo, tahaka ny an’ny mpampianatra FRAM. Nahery vaika, ary tsy nilefitra tamin’ny foto-kevitra nijoroany mihitsy mantsy, ny fitakian’ireo sendika hafa, tahaka ny SECES, SMM, malaza indray izao ny SEMPAMA izay nahavita nampiato fianarana tamin’ny sekolim-panjakana maro manerana ny Nosy, ary dia tena nampiakatrakatra an’i Andry Rajoelina mihitsy tany Morondava. Maivana dia maivana ny hetsika fitakian’ny mpitatitra raha ampitahaina amin’ireo sendika telo voalaza teo ambony teo ireo, ary raha izao no fandehany dia ho maty momoka ny fitakiana. Iankinan’ny fiainam-bahoaka sy ny fiainam-pirenena ny fitaterana ary azo atao fitaovana politika ihany koa anefa. Izay no tena mahasarotra ity raharaha iray ity, satria tsy fantatra hoe fitakiana madio sy mitombina marina ve no atao ka tohizana hatramin’ny farany na inon-kidona na inon-kihatra, sa fitakiana misy ambadika hafahafa ka rehefa tonga tampoka avy any ambadimbadika any ny fanampena-maso sy fanambatambazana, dia mangina ho azy eo, fa dia ho hita eo indray amin’ny manaraka.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT