Actualités

Tsy Aritra Maloto tanteraka


  • Alakamisy 26 Jolay 2012

Efa nampoizin’ny maro ihany fa tsy maintsy mbola hifoha ny lonilony eo amin’ny polisy sy ny mpitsara, satria tsy voalamina tsara hatramin’ny farany ilay raharaha tany Toliara fa toa nampanginina tsimoramora teny.

 Dia io fa miverina io indray ny fanomezana «ultimatum», ka manome 24 ny polisim-pirenena ny mpitsara mba hanatitra ireo polisy 5 mirahalahy eny Tsiafahy, fa raha tsy izany dia handray fepetra ry zareo. Araka ny nambaran’ny mpitsara dia tena misy ny olana fototra dia ny hoe : tsy manaiky manatanteraka ny didim-pitsarana ny andiana polisy sasany, ary vonona ny hampiasa hery. Raha ny fandinihana azy tokoa dia tena goavana ity olana ity, satria misy izany eto Madagasikara andian’olona tsy manaiky diso sy tsy mety melohin’ny fitsarana. Koa tsy izany ve ny hoe : tany tsy misy fanjakana e ?

Dia ahoana ny mety hitranga raha misy miaramila na zandary, nandika lalàna, atolotra ny fitsarana dia tsy manaiky ampidirina am-ponja koa fa tonga dia mamahana basy eny amin’ny Lapan’ny fitsarana eny ? Ny olon-tsotra sy ny vahoaka sahirana ihany izany ve no gadraina eto, fa izay manana basy na mahitahita dia afaka madiodio na meloka na tsia ? Ratsy endrika tanteraka eo imason’ny vahoaka ny polisim-pirenena ankehitriny. Ho hita eo indray ny fahagagana ataon’ireo lehiben’izy ireo hanakonana ny ratsy rehetra vitan’ny sasany amin’izy ireo.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT