Telo taona sy telo volana no efa teo amin'ny fitantanana ny firenena i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy, saingy mahagaga fa amin'izao volana jolay 2012 izao vao hihazakazahana indray ny fiantsoan'ny fitsarana malagasy ny filoha Marc Ravalomanana mba hiatrika ny fanadihadiana azy momba ny raharaha 7 febroary.
Dia nisy olona 6 nipoitra tampoka ary nitory ity filoha teo aloha ity. Asa na fifanandrifian-javatra na ahoana fa mifanojo indrindra amin'ny vanim-potoana tokony hihaonan'Atoa Rajoelina sy Ravalomanana izao fanetsehana indray ny fitsarana ny raharaha 7 febroary izao. Efa nisy ihany ny fotoana nikasan'ny fitondrana FAT handefa mpitandro ny filaminana hisambotra an-dRamose tany Afrika Atsimo, saingy nazava ny valin-tenin'ny manampahefana tany an-toerana fa tsy afaka manatanteraka izany ny fanjakana malagasy satria tsy misy ny fiaraha-miasa ara-pitsarana eo amin'ny firenena roa tonta.
Ny mpandinika ny raharaha politika dia nahatsikaritra avy hatrany fa don-tandroky ny fitondrana FAT mba handemena ny sain'Atoa Ravalomanana izao resaka fitsarana izao. Io ilay hoe avoaka indray ny dosie rehefa manahirana ny olona iray e ! Mifanindran-dalana amin'izay dia nanambara ihany koa omaly ny Filankevitry ny minisitra fa nahantona amin'ny asany ireo minisitry ny ankolafy Ravalomanana dimy ao anaty governemanta dia Ihanta Randriamandranto (Minisitry ny fiompiana), Ruffine Tsiranana (Minisitry ny fanapariaham-pahefana), Olga Ramalason (Minisitry ny varotra), Roland Ravatomanga (Minisitry ny fambolena) ary Pierrot Botozaza (Praiminisitra lefitra misahana ny toekarena sy ny indostria), izany hoe tsy mahazo miasa intsony aloha izy ireo. Dia lasa ny eritreritra ny amin'ny hoe : fa fitoniana ve sa ady no tadiavin'ny sasany ? Fa hifampiresaka ve sa hifandrafy sy hifanenjika eto foana ? Dia tsy hisy fifandeferana mihitsy ve izany. Amin'ny maha filohan'ny tetezamita azy dia azo antoka fa efa nahafantatra mialoha, ireo raharaha rehetra ireo i Andry Rajoelina, saingy tsy nivaky loha satria hitany fa mety aminy ilay izy.
Ny manahirana amin'ity raharaha ity anefa dia mibaribary be izao fa tsy vonona amin'ny fifampidinihana sy ny fifampiresahana ny ankolafy Rajoelina, izany hoe mitsivalana amin'ny hanatanterahana an-tsakany sy an-davany ny tondrozotra. Koa dia mety hitodi-damosina aminy izany ny sehatra iraisam-pirenena, araka ilay fanambaran'ny SADC farany teo. Tsy mbola fantatra ihany koa izay mety ho valin-kafatra avy amin'Atoa Ravalomanana sy ireo mpiara-dia aminy. Dia sanatria ve hihenjan-droa indray ny tady ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.