Taorian’ny fivoriana teny Mahazoarivo ny zoma 13 jolay lasa teo dia nanapa-kevitra ireo sampandraharaha isan-tsokajiny miara-miasa eny Ivato, fa dia hohamafisina ary ho hentitra kokoa ny fitsirihana sy fanaraha-maso eny amin’ity seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ity, manomboka anio alatsinainy.
Voakasik’izany fandraisan’andraikitra izany ny Air Madagascar, ACM, Adema, ny polisy misahana ny fiarovana sisintany, ny zandarimariam-pirenena, ny fadintseranana sy ireo sampandraharaha hafa. Nalaza ratsy tokoa mantsy tato anatin’ny volana vitsivitsy izao ny seranam-piaramanidina teto amintsika, noho ireo trafika maro samihafa. Misy efa ho isan-kerinandro ny volamena, vato sarobidy, rongony, volabe, biby tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara tratra, na eny Ivato, na any amin’ny seranam-piaramanidina any ivelany hafa, indrindra fa ny atsy amin’ny nosy Maorisy sy Kaomoro.
Manala-baraka ny firenena Malagasy izany ary indrindra koa toa manaporofo fa gaboraraka ny fanaraha-maso ataon’ny mpitandro ny filaminana eto amintsika, na misy ny mpitandro ny filaminana misava ireny entana ireny no mikipy maso tsotra izao, noho ny antony maro samihafa, tsy ferana ny vola. Maro koa anefa no mieritreritra fa matoa ny olona manondrana entana an-tsokosoko sy manao trafika sahy, dia efa mahazo antoka izy fa misy olona ambony ao anatin’ny fitondrana miaro azy ireo. Ary zavatra efa nitranga teny Ivato ny hoe : nisy volamena nosakanana tsy navela nampidirina tao anaty fiaramanidina, kanefa dia nisy manampahefana ambony niantso an-telefaonina ary nanome baiko ny hamelana izany volamena izany hiondrana. Tsara ny fisiana fivoriana, saingy tsy vitan’ny mivorivory isaky ny mihetsika dia ampy fa mila matotra ny fandraisan’andraikitra, ary raha tokony havoaka mazava ny anaran’ireo olona ambony mpanao "intervention". Fa na mivory isan’andro aza ny polisy sy ny zandary, rehefa mbola misy ny lava tanana dia mibanaka be foana ny eny Ivato, ary entana sombintsombiny mody atao tratra no avoaka amin’ny fampahalalam-baovao, fa ny tena bizina goavana mandeha foana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.