Fety be isaky ny sabotsy sy alahady etsy Anosy amin'ny alalan'ny Podium, fifaninanan-kira hahazoana volabe, rindran-kira maimaimpoana, kilalao sy loka maro samihafa.
Hanao tohivakana izany manomboka anio ka hatramin’ny 26 jona raha ny eto Antananarivo. Izay no nomanin'ny fitondrana tetezamita mba handraisana ny fetim-pirenena amin'ity taona 2012 ity. Ny Malagasy moa efa malaza lanaky ny krizy sy tsy ampy fialamboly koa dia misimisy ihany ireo nirohotra teny Anosy teny, tato anatin'ny roa herinandro izao. Tsy misy maharatsy ny mifety mihitsy, ary tsy misy lalàna mandrara izany, saingy tokony hatao am-piheverana ihany ilay izy. Maro ny olona tsy dia mankasitraka loatra ity fandaniam-bola amin'ny alalan'ny rendrarendra ataon'ny FAT ity. Soa ihany aza fa mba tsy nisy mpanakanto vahiny mikarama volabe intsony nohafarana manokana.
Na izany aza tahaka ny fety maneso ny Malagasy sahirana, tsy ampy sakafo, very asa, namoy ny havany noho ny hetraketraky ny dahalo ny fety be tahaka io atao eny Anosy io, raha ny fahitan'ny olona sasany azy. Vola be no laniana amin'ny fety tahaka ireny, kanefa milaza fa tsy manam-bola hamaliana ny fitakian'ireo sendika ny fitondrana tetezamita. Ampiakarina ny saram-pisoratana anarana eny amin'ny oniversite izay hidiran'ny zana-bahoaka, mbola lafo ny fanafody... Azo natao tsara ny nanao fety ny 25 jona dia tohizana ny 26 jona izany, fa tsy tokony ho telo herinandro mialoha dia efa be fihetsiketsehana mandany vola, hoy ny raim-pianakaviana iray. Hita sy tsapa fa tena tompondakan'ny fisehosehoana ivelany ny fitondrana FAT. Tsy dia mahagaga ny maro moa io, satria efa iaraha-mahalala ihany fa mpikarakara fampisehoana i Andry Rajoelina teo aloha, ary mbola manana orinasa mpanao dokambarotra ihany koa.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.