Actualités

Tsy Aritra Dikan-teny, dika vilana !


  • Alarobia 28 Martsa 2012

Tahaka ny tamin’ny fifanarahan’i Maputo sy Addis Abeba, ireo karazana fehin-kevitra navoaky ny SADC hatramin’izay, na ny avy amin’ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-pirenena io na ny nambaran’ny Troika-SADC, dia mbola hifandroritana ihany koa ny fandikana ny tondrozotra sy ny “mémorandum”, mbola avy amin’ny SADC ihany.

 Ambara fa mirona loatra amin’ny fomba fisainan’ireo tany miteny anglisy, hono, ka mila adika amin’ny fiteny Malagasy sy Frantsay aloha izay vao tanterahana. Dia mikatso kely eo indray aloha ny raharaha, tsy voahaja ny fe-potoana dia mihemotra ny famahana ny krizy, dia miha mampanontany tena ihany hoe : hisy fifidianana ho vita ihany ve amin’ity taona ity e ? Somary mahagaga ihany ny toe-draharaha, satria mpikambana feno ao amin’ny SADC i Madagasikara ka tokony haharaka tsara ny fomba fiasa ao izany ny mpitondra eto ary efa vonona foana amin’izay zava-mitranga rehetra ; faharoa dia maro be ireo manampahaizana manokana amin’ny fandikan-teny eto, aman-jatony ireo mpampianatra mpikaroka, maro amin’izy ireo no mahafehy tsara ny fiteny malagasy, anglisy ary frantsay, eo ihany koa ireo mpitsara mahay tsara ny fiteny anglisy, koa nahoana no mitarazoka sy hiadian-kevitra be ny fandikana ilay “mémorandum”; ary fahatelo farany, vantany vao nahazo io antontan-taratasy i avy amin’ny SADC ny filohan’ny tetezamita sy praiminisitra dia nahoana moa no tsy nikaon-doha niaraka, haingana ka nanetsika ireo mpanolotsaina sy manampahaizana maro be ao an-dapa ao, dia mba efa navadika tamin’ny fiteny malagasy ilay “mémorandum” ?

Noho izany rehetra izany, dia maro ihany no miahiahy fa misy mihitsy ireo mitady ny hevitra rehetra hampitarazoka ny fanatanterahana ny famotsoran-keloka, ary ny tena mampatahotra aza, dia sao sanatria, efa nisy nanova tany ambadimbadika tany ny voasoratra tao amin’ilay “mémorandum”, ka izay vao nadika amin’ny fiteny hafa sy nampahafantarina ny rehetra ilay izy ? Be loatra ny mistery ka mitoetra ho azy ny tsy fifampatokisana ary tsy mahagaga raha hisavorovoro indray, noho io volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka io, isika mianakavy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT