Tsy Aritra

> Mila vahoaka tompon’andraikitra


  • Alarobia 06 Novambra 2013

Rehefa nojerena ny tantaran’ny fifidianana tamina firenena maro nandalo krizy politika dia tena manonofy antoandro tokoa ireo mitabataba etsy sy eroa mangataka ny fanafoanana ny vokatra tamin’ny fihodinana voalohany na hampihemorana ny datin’ny fihodinana faharoa. Matanjaka ny fianakaviambe iraisam-pirenena ka rehefa izy no manapa-kevitra fa atao, dia atao ilay izy izay !

Nihodinkodina nandritra ny efa-taona isika teto Madagasikara tsy nety nahavita fifidianana, satria tsy mbola nankasitraka izany ny fianakaviambe iraisam-pirenena ; izao izy vao manaiky. Tsy tongatonga ho azy izany fa misy antony manokana. Tsy hidirantsika lalina ny amin’iny satria tena lalim-paka fa ny hany maha maika ny olom-pirenena tsotra dia ny hiverenan’ny filaminana sy ny fitoniana eto amin’ny firenena. Vitsy ny Malagasy miasa saina amn’ny diplaomasia sy fifandraisana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany. Tsy izany no mamaky loha azy fa ny hanin-kohaniny isan’andro, ny asany, ny fianaran-janany, ny nofinofy mba hanana trano fa tsy hanofa foana, ny hetaheta mba hiala sasatra any amoron-dranomasina isan-taona. Ny faniriany dia ny mba tsy hisy handroba intsony ny fananany, ary tsy hisy hidaroka tampoka izy raha mba sendra mody alina. Ny mampalahelo anefa dia hararaotin’ny mpanao politika sasany io Malagasy tsy dia mivaky loha amin’ny resaka politika io koa dia manao izay tiany ny mpikarama an’ady politika, ny olona rahateo moa be menomenona fotsiny fa manaiky lembenana avy eo.

Noho ny fahasahiranana dia mitazam-potsiny ny fandripahana ny hazo sarobidy any aminy ny mponina any amin’iny faritra avaratra atsinanan’ny Nosy iny, amin’izay mba mahazo sombiny kely amin’ilay vola be izy rehefa mba mibatabata hazo isan’andro eo. Mpanao politika efa hita fa tsy nahavita ninoninona izao dia mbola mahafeno kianja ihany amin’ny propagandy satria notambazana T-shirt sy vola 10.000 Ar ireo ampahana vahoaka. Mpitondra fanjakana efa iaraha-mahalala izao fa manao afera maizina, dia mbola arovan’ny olona sasany ihany fa hoe hitondra fanovana, hono… Ny malagasy mihitsy no mila mandray andraikitra sy manapa-kevitra raha te hanova fiainana ho tsara kokoa fa raha mbola matoky an-jambany ny mpitondra sy ny mpanao politika dia …eto isika no raisina e !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalĂ na ambony,

Hijery ny tohiny
FTT