Tsy Aritra

> Efa natomboka ny fampihavanana


  • Alatsinainy 04 Novambra 2013

Mametraka ho ambony dia ambony ny tombontsoam-pirenena ny ankolafy Ravalomanana. Efa tarigetran’ity ankolafy ity sy nahafantarana hatry ny ela an’Atoa Marc Ravalomanana moa ilay hoe : «Tonga miaraka no fanombohana, miasa miaraka no fahombiazana».

Tsy hiandrasana mahazo fitondrana ny fiaraha-miasa sy ny fampihavanana tena izy, fa dieny izao dia efa atomboka sahady. Maro ireo mpanao politika na mpiara-miasa tamin’ny fitondrana Ravalomanana, mety noheverina ho nisintaka na tsy dia hita firy nandritra ny tolona teny an-kianja no efa miverina tanteraka ao anatin’ny ankolafy ankehitriny, ary nisy ireo efa niseho vahoaka ka nanotrona ny Dr Robinson Jean Louis tamin’ny faradoboka natao teny Andohatapenaka ny 23 oktobra lasa teo. Resy lahatra ny ankolafy Ravalomanana fa tena ilaina ny fandraisan’anjara sy fandraisan’andraikitry ny tsirairay amin’ny fanarenana ny firenena, tsy sanatria ho tonga namana vao ho mavomavo ny Zanak’i Dada fa dia efa mivonona amin’ny endri-piaraha-miasa rehetra avy amin’ireo tena vonona ny hampandroso ny firenena. “Asa vadi-drano, tsy vita tsy hifanakonana”, hoy ny Malagasy, koa na dia efa manana fandaharanasa matotra aza ny Dr Robinson Jean Louis sy ny ankolafy Ravalomanana dia tsy hihevi-tena fa mahavita samirery ny asa fa tsy maintsy hiasa miaraka amin’ny rehetra. Tsy takona afenina fa tena nisy fifandirana, nisy ady teto. Izay indrindra no maha zava-dehibe ny fifanatonana sy fifampiresahana. Efa nanomboka io fampihavanana io ny ankolafy Ravalomanana ary mbola hanohy izany hatrany.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT