Actualités

Tsy Aritra Be vava fotsiny


  • Alakamisy 21 Jona 2012

Tamin’ny herinandro lasa iny dia hentitra ery ny tao amin’ny Prefektioran’Antananarivo Renivohitra nilaza fa voararan’ny lalàna ny fivarotana tsipoapoaka ary tsy azo atao ny manapoaka azy ireny.

 Nambara tamin’izay fa hisy ny hetsika goavana hatao ka hanagiazana avy hatrany ireo tsipoapoaka hita eny amin’ny mpivarotra. Somary nilamindamina kely ny varotra tsipoapoaka taorian’io. Avy eo anefa dia iny fa nirongatra indray. Ny tena tsy aritra dia, vao omaly no nahatazanana teny Analakely, amin’ny andro antoandro be nanahary, eo akaikin’ny Hotel Plaza manamorona ny arabe, mpivarotra tsipoapoaka izay ahitana ireo karazany rehetra, miainga any amin’ny faran’ny kely ka hatrany amin’ny mahery vaika indrindra. Misy polisy mivezivezy eo, kanefa mahatalanjona fa tena sahy ary tsy miafina mihitsy ilay mpivarotra. Azo itarafana ny gaboraraka eto amintsika ity tranga ity.

Am-bava fotsiny ilay hoe fampiharana ny lalàna, na natao hanapenam-bava izay tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra. Efa hatramin’ny volana janoary no fantatra fa tsy maintsy hisy 25 sy 26 jona, ka raha hampihatra marina ny lalàna, nahoana no tsy tonga dia nosakanana avy hatrany ny fidiran’ny tsipoapoaka avy any Chine ? Fa tsy hoe rehefa miparitaka eraky ny elakelan-trano ilay izy vao ambara fa voararan’ny lalàna ny famarotana azy. Fandraisan’andraikitra ve izany sa fidedahana ? Kinga aok’izany ery ny mpitandro ny filaminana eto an-drenivohitra amin’ny fanenjehana sy fitifirana ireo jiolahy, ary izay sendra ny bala tonga dia mampamangy. Ambara fa mahay sy manana traikefa ny mpitandro ny filaminana Malagasy, nolazaina fa tsy matahotra fanafihana avy any ivelany izany isika, ary hanaovana fanazaran-tena ny miaramilan’ny SADC rehefa tonga eto. Izao anefa tsy hita akory izay apoaka rehefa tandrohan-dry Remenabila sy ny tariny. Be vava fotsiny e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT