Actualités

Tsy ampy ny vola Mikoropaka ny ministeran’ny Atitany


  • Alakamisy 14 Martsa 2013

May volon-tratra ny ao amin’ny ministeran’ny Atitany ka miantsoantso isan’andro ny amin’ny tokony hanomezan’ny fitondrana tetezamita indray ny ampaham-bola hanatanterahana ilay “opération” kara-panondro sy ny fizarana kopia mitety vohitra.

 Araka ny fanazavana voaray mantsy dia ho tapitra tanteraka amin’ity herinandro ity ilay vola 1,2 miliara Ariary teo am-pelatanany. Manodidina ny 3 miliara Ariary anefa no nangatahan’ny ministeran’ny Atitany mba hahafahana manatanteraka ny hetsika ka hanomezana kara-panondro ny olom-pirenena miisa 850 000. Araka ny feo mandeha dia mailo amin’ny handrotsahana volabe ao amin’ny ministeran’ny Atitany ny eny Ambohitsorohitra, tena hentitra amin’ny fanaraha-maso ny nampiasana izany vola izany. Isan-kerinandro dia tsy maintsy hita sy re amin’ny fampahalalam-baovao foana ny ao amin’ny ministeran’ny Atitany mitatitra ny asa vita sy mampatsiahy fa tsy ampy ny vola eo am-pelatanana, saingy ho lany ihany ny vola ity fa tsy mbola nisy ny fanampiny. Ho hita eo ihany ny mety hofivoaran’ny toe-draharaha amin’ity herinandro ity.

 

RTT 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT