Tsivatrinikamo-Antsirabe

> Fandravana trano saika niteraka sakoroka


  • Talata 18 Martsa 2014

Tao anatin’ny savorovoro no nanatanterahana fandravana trano tao Tsivatrinikamo Antsirabe omaly alatsinainy 17 martsa 2014 maraina, raha efa saika hatao ny alakamisy 13 martsa lasa teo saingy mbola nisy ny fifandaminana.

Amin'ny 4 sy sasany maraina dia efa voahodidin'ny mpitandro ny filaminana avy amin'ny Emmo-Reg ny toerana, ho fanatanterahana ny didim-pitsarana teo am-pelatanan'ny Vadintany. Tsoka kiririoka sy feon-dakolosy lavareny no nanaitra ny mponina. Na teo aza ireo mpitandro ny filaminana marobe avy tamin'ny Emmo-Reg dia be lavitra noho izy ireo ny mponina vonona hiaro ny taniny. Niroso tamin’ny fandravana ny tranon’izay efa nanaiky hiala ny Vadintany sy ireo olona efa nokaramainy ho amin'izany. Tonga tao an-toerana mihitsy moa ireo nitonona fa nividy ny tany ka tsotra ny teniny fa na mifanaraka na ampiharina ny didim-panjakana amin'ny fandravana dia izay ihany ny azy. Taorian'izay dia nivory ny fianakaviana efa niorim-ponenana teo ka tapa-kevitra fa hifandinika amin'ny adivarotra ny vidin'ny tany izy ireo aloha ka dia ho hita eo ny tohiny. Nanao fampakarana tany amin'ny fitsarana ambony ireo tompon'ny tany hatramin'izay ny datin'ny 10 martsa 2014 lasa teo saingy tsy nanakana izao fandravana trano izao izany. Mirefy 58 ara eo ity tany ifanolanana ity ka ny 33 ara ilay nahazoana Titra vonjimaika misy ireo trano fonenana 14 tafo horavana ireo.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT