Actualités

Tsiroanomandidy Tratra ireo lehilahy 2 mpanolana ankizivavy kely


  • Alarobia 13 Janoary 2021

Lehilahy miisa roa 17 sy 56 taona no voasambotry ny Polisy miasa oa

 

 


Tsiroanomandidy noho ny resaka fanolanana zazavavy tsy ampy taona. Zazavavy kely miisa 4 samihafa no naolan’izy ireo ka 17 taona ny iray, 13 taona ilay faharoa raha 09 taona ilay fahatelo.Raha tsiahivina kely ny tantara dia ny 24 Desambra lasa teo no naharay fitarainana ny Polisy any an-toerana mikasika trangana fanolanana zazavavy 17, 13 sy 09 taona. Nanokatra fanadihadiana ireto farany ka lehilahy iray 56 taona fantatra fa tompon’antoka tamin’izany. Rehefa natolotra ny fitsarana ny 29 desambra teo ity lehilahy nahavanon-doza ity dia naiditra am-ponja vonjimaika. Ny 06 janoary teo anefa dia naharay fitoriana ny avy eo anivon’ny kaomisarian’i Tsiroanomandidy izay nilaza fa nisy lehilahy iray nanolana zazavavy kely 14 taona izay mbola mpianatra hafa ihany koa. Nandray ny andraikiny avy hatrany koa ireo Polisy miasa any an-toerana ka lehilahy iray izay voatonontonona tamin’izany no voasambotra tany Tsiroanomandidy. Taorian’ny fanadihadiana dia natolotra ny Fampanoavana ny 08 janoary teo ity farany ary araha-maso eo ambany fiahian’ny Fitsarana(sous controle judiciaire).

Pati

Legende : Ireto izy roalahy mpanolana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT