Naiditra am-ponja vonjimaika ny 26 janoary lasa teo ilay lehilahy iray 41 taona
voarohirohy ho nanolana zazavavy kely iray vao 13 taona tany Tsiroanomandidy. Raha tsiahivina kely ny tantara dia tonga nametraka fitoriana tao amin’ny biraon’ny Polisy ny renin’ity zazavavy ity ny 22 janoary lasa teo rehefa nahafantatra fa nisy nanolana ny zanany vavy. Fantatra nandritra ny fanadihadiana nataon’ny Polisy fa ny ray kelin’ity zaza ity ihany no nahavita nanolana azy ka tsy nanaiky ilay reniny. Ankoatra ity raikely nahavanon-doza ity moa dia lehilahy iray hafa 22 taona ihany koa no naiditra am-ponja vonjimaika ny 26 janoary lasa teo ihany noho io resaka fanolanana io ihany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.