Actualités

TSIPOAPOAKA Ramatoa iray no torana vokatry ny fahatairana


  • Alakamisy 09 Jona 2022

Efa tena tsy ara-dalana intsony ny toe-pahasalaman’ny ankamaroan’ny Malagasy amin’izao vokatry ny hasarotan’ny fiainana.

Na mandeha eny an-dalana aza mantsy ny sasany dia tsy mahatsiaro tena intsony fa miampita arabe….noho ny fieritreretana izay hanin-ko hanina isan’andro sy ny saram-pianaran’ny ankizy….Na feona finday aza vokatr’izany amin’izao dia mety hanaitra mafy indrindra raha miova tampoka. Ramatoa iray teny Atsimondrano teny ohatra omaly no torana raha vantany vao nanipazana ankizy iray tsipoapoaka teo amin’ny tongony. Raha araka ny fanazavan’ireo nanatri-maso dia tena nipoaka mafy tokoa ilay tsipoapoaka no sady vao maraina loatra. Ilay Ramatoa anefa namikiviky mafy karazan’irony mbola handeha hitady lamba hosasana irony hoy hatrany ny fanazavana azo ka nihafara tamin’ny tsy fahatsiarovany tena izany. Ireo olona handeha hividy sakafo maraina teny amin’ny manodidina no nanavotra sy nikosokosoka azy ary tafatsangana ihany izy taorian’izany. Marihina moa fa tsy mbola nisy mihitsy ny filazana nataon’ny prefektiora hatreto fa voarara ny fanapoahana tsipoapoaka amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny 26 Jona izao. Efa tazana marobe eny an-tsena eny rahateo ireo karazana tsipoapoaka izay manomboka amin’ny 100 Ar dia efa mahazo iray raha misy mahatratra 10.000 Ar ny vidin’ny sasany. Nambaran’ireo mpivarotra fa mbola tsy voarara aloha izy ireo hatreto ary efa tena mandeha ny tsena.
Pati
Legende : Ny zazalahy kely no tena mampiasa tsipoapoaka tahaka izao matetika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT