Actualités

Tsipoapoaka Azo ampiasaina amina toerana mihidy


  • Sabotsy 04 Jona 2016

Tsy afa-misaraka amin’ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona ny filalaovana tsipoapoaka, ho an’ny ankizy.

 

 Mikasika izay indrindra dia nanambara ireo komity nasionaly mpikarakara ny hetsika fa  tsy voarara ny fampiasana sy ny filalaovana tsipoapoaka amin’ity  taona ity, hahafahan’ny rehetra mifety sy mifaly. Notsindrian’izy ireo kosa fa noferana ny fotoana ahafahana mampiasa izany sy ny toerana hanaovana azy. Tsy azo atao, ohatra, ny manapoaka na manipy tsipoapoaka amin’ny toerana be olona na mivorivory. Tsy azo atao ihany koa ny manaitra ireo mpandeha an-tongotra eny amin’ny arabe, fa tsy maintsy amina toerana mihidy, toy ny tokotany no anaovana azy. Mikasika ireo olon-tsotra manam-paniriana ny handefa afomanga ho azy manokana mandritra ny fety, dia  nomarihin-dRakotoarisoa Jean Lucien, talen’ny kabinetra eo anivon’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena, fa tsy maintsy maka alalana manokana izy ireny. Toraka izany koa ireo mpivarotra sainam-pirenena kely apetraka amin’ny fiara. Ny loko mena no ambony ary ny maitso no ambany. Tokony ho mangirana doré ihany koa ilay kirofarofany manodidina azy iny fa tsy izay loko tiana mba ho fanajana ny fiandrianam-pirenena.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT