Actualités

Tsimialonjafy Mahamasina Ahiana hampidi-doza ny andrin-jiro iray


  • Alarobia 09 Novambra 2022

Nangataka fandraisana an-tanana na “intervention” farany izay maika avy amin’ny JIRAMA ny olom-pirenena iray omaly fa misy andrin-jiro iray tapaka ary atahorana hampidi-doza eny Tsimialonjafy Mahamasina eny.

Misy fianakaviana tsy tafiditra ao an-tranony noho io tranga io, hoy izy. Efa nantsoina telefaonina hatramin'ny tamin'ny 12 ora tolakandro ihany fa mbola tsy tonga hatramin'izao (TTF: omaly hariva tokony tamin’ny 6 ora sasany). Ireo tariby na “fil” no mbola mampijoro ilay andrin-jiro, hoy hatrany ny tenany. Niezaka nanaparitaka ity zava-misy ity tao anatin’ireo vondrona samihafa anaty tambazotran-tserasera moa ity olompirenena ity, raha ny tatitra nataony hatrany, saingy nesorin’ny vondrona antsoina hoe “Mpanjifa JIRAMA” tao anatin’ity vondrona ao anaty Facebook ity tao ny fampandrenesana nataony mikasika ity andrin-jiro ahiana hampidi-doza eny Tsimialonjafy Mahamasina ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT