Lehilahy miisa roa 20 taona sy 24 taona no nosamborin’ny polisin’ny STUP Anosy ny 13 jolay lasa teo teny Tsimbazaza. Raha araka ny fantatra dia nivarotra heroine izy roalahy ireto.
Misy andiana tanora maromaro miaraka amin’izy ireo ka sady mifoka no mivarotra. Mbola tratra teny amin’izy ireo moa nandritra izany ny fonosana heroine milanja 12g izay nofohany. Nentina teny amin’ny Biraon’ny Stup Anosy ireto farany nanaovana fanadihadiana. Taorian’ny fakana am-bavany azy ireo dia fantatra amin’ny fa eny 67ha no handraisany sy hividianany io zava-mahadomelina io ary mbola mivarotra ny 1grama amin’izany amin’ny vidiny 20. 000 Ar izy ireo. Natolotra ny fampanoavana omaly izy roalahy ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.