Actualités

Tsiazotafo Mitaky vola ankitsirano izao ilay polisy


  • Zoma 26 Jolay 2013

Omaly alakamisy tokony ho tamin'ny iray maraina teny amin'ny manodidina an'i Tsiazotafo raha nisy olona sendra nanatitra ny namany handray fiarakaretsaka somary nanalavitra ny fiarany dia nisy fiara 4x4 miloko maitso an’ny polisy tonga, nijanona ary nisava ilay tovolahy ka nanontany ny kara-panondrony.

Nilaza ilay tovolahy fa “atsy anaty fiarako atsy ny karatro”. Tsy nanaiky anefa ny polisy iray fa dia ny hitondra azy ihany no fantany ka dia nalefany tao aorian'ilay fiara 4x4 Nissan Hardbody misy soratra FIP tsy misy laharana, ihany ilay tovolahy sendra nivoaka, ny namany anefa tao amina toeram-pilanonana iray teo akaiky teo, ka dia nifampiraharaha tamin'ireo polisy sady nilaza fa efa iny anie ny karany ka mbola hoentinareo ihany izy ? Tsy te halala ilay polisy fa avy hatrany dia niteny hoe : izahay vao avy nandray vola omaly fa mbola mila vola izahay ka raha tsy manome vola ianareo dia entinay izy dia rahampitso (zoma) mifanazava». Tsy naharitra moa ny naman'ilay voatazona tao anaty fiara noho ny alahelony ny namany ka dia nanome vola roa alina Ariary mba tsy hitondrana ny namany. Rehefa voaloa ny vola dia navotsotr’ireo polisy ilay tovolahy dia iny ry zareo no lasa.

 

Nofy R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT