Actualités

Tsiaro ny 29 martsa Samy hanao ny azy


  • Alarobia 28 Martsa 2012

Tsy hamela handalo fotsiny ny andron’ny 29 martsa ireo tia tanindrazana ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra fa hanamarika izany ihany koa.

 Raha ny fandaharam-potoana re dia ny tolakandron’ny ny alakamisy 29 martsa izy ireo no hifamotoana eo amin’ny tsangambaton’ny maherifo eo anoloan’ny garan’Antsirabe manomboka amin’ny 03 ora sy sasany. Hisy, araka izany, ny fotoam-bavaka fohy izay atao mialoha ny fametrahana ny fehezam-boninkazo ho fahatsiarovana ireo namoy ny ainy nandrodana ny mpanjanatany. Raha ny fantatra dia tsy hanavahana firehana politika na fikambanana ity hetsika ity fa dia ireo rehetra mahatsiaro fa tia tanindrazana no antsoin’izy ireo amin’io tolakandro io raha toa ka ny maraina no hisy fankalazana hotarihin’ny Faritra eo anoloan’ny gara ihany. Fankalazana roa sosona izany no hitranga ao Antsirabe amin’ny andron’ny 29 martsa ho avy izao. Ho hita eo indray izay hitranga !
Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT