Rava ny tsenan’ny tantsaha etsy Anosizato Atsinanana. Taorian’ny sakoroka nitranga teny an-toerana ny alatsinain’ny pentekosta teo mantsy dia natory teny an-toerana mihitsy ireo polisy monisipaly, notarihin’ny Talen’ny kabinetra Rabearisoa Alexandre nanentana sy nanoro lalana ireo fiara mpitatitra vokatra entina hamidy any avy Fenoarivo handeha hihazo an’i Namontana, toerana namindrana ireo mpivarotra.
Nitohy hatramin’ny omaly antoandro ny fiambenana ity toerana nivarotan’ny tantsaha teo aloha ity ka rava tanteraka izany. Araka ny nambaran’ny Talen’ny kabinetran’ny Kaominina ihany dia tsy ankeriny akory no nanalana ireo mpivarotra ireo tamin’ny toerany fa efa nisy ny fanentanana natao nanomboka ny zoma lasa teo. Narahina peta-drindrina izany mba hahafahan’izy ireo mandamina ny tokony hataony, araka ny nambaran’ity Talen’ny kabinetra ity ihany izay niafara tamin’ny asa fanadiovana ny tsena. Nisy moa ny Parlemanteran’ny tetezamita tonga teny an-toerana tamin’io alatsinainy io niaro ireto mpivarotra ireto ny amin’ny tokony hitazonana azy ireo amin’ny toerany saingy roso tamin’ny fampiharana ny didy izay nivoaka ny zoma lasa teo ihany ny Kaominina. Omaly ny roa tonta no nihaona ka tsy fantatra izay mbola mety ho tohin’ny raharaha.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.