Tsenan’ny tantsaha Anosizato

> Misy misandoka andraikitra


  • Alarobia 04 Septambra 2013


Nampiaka-peo ny sefom-pokontanin’Anosizato Atsinanana II, Atoa Randriamanalina Jean Marc, raha niresaka mikasika ny fandaminana  ny Tsenan’ny tantsaha eny Anosizato ankehitriny izay miverina amin’ny toerana nisy azy taloha indray aloha mandra-piditry ny mpianatra eny an-toerana. Ambaranay, hoy izy, fa tena fisandohana andraikitra ny ataon’ny milaza azy ho mpikarakara manokana an’ireo mpivarotra ka maka haban-tsena amin’izy ireo sady amin’izay indray tsy mponina eny an-toerana akory izy ireo. Marihina, hoy ity sefom-pokontany ity, fa efa nisy fifanarahan’ny Fokonolona sy ny tompon’andraikitry ny tsena fa hiverina amin’ny tsena taloha aloha ireo mpivarotra mandritra ny vakansy nefa ny Fokontany hatrany no hisahana ny fikarakarana ireo mpivarotra. Tsy misy olon-kafa, indrindra ivelan’ny Fokontany, mahazo mitsabatsabaka amin’ity raharahanay ity. Handray andraikitra izahay raha mbola mitohy ny fanaovan’olon-kafa zinona ny fandaminana, hoy ny sefom-pokontanin’Anosizato Atsinanana II, tamin’ny teny hentitra.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT