Efa andro sisa no isaina dia higadona ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona. Tsy afa-misaraka amin’izany ny fihinanana ireo karazan-tsakafo marobe hiavahana amin’ny mahazaka ka anisan’ireny ny vorona.
Efa tazana marobe sy mitandavana izy ireny eny an-tsena. Raha araka ny fanadihadiana natao tamina mpivaro-borona iray etsy Anosibe dia tena niakatra ny mason-karenam-borona izay tranga hatrany am-potony mihitsy. Noho ny fiakaran’ny vidin’ny solika hitateraka azy ireny sy ny haratsian-dalana hoy izy dia tsy misy latsaky ny 120.000 Ar intsony ny vorontsiloza lahy iray amin’izao miainga any am-potony. Ankoatra ny ao Toliara izay tena mpiompy azy ireny dia maro vorontsiloza ihany koa ny ao Fianarantsoa sy ny manodidina. Voatery mivarotra vorondahy iray 160.000 Ar araka izany izy ireo tonga eto an-drenivohitra. 100.000 Ar kosa ny vorombavy kely iray raha 90.000 Ar ny gisalahy lehibe iray. Manodidina ny 40.000 Ar kosa ny ganagana lehibe iray raha 30.000 Ar ny akoho miankina amin’ny habeny. Raha araka ny fantatra hatrany moa dia ireo mpanontany no mbola betsaka hatreto. Mbola maina ny tsena amin’ny ankapobeny. Manomboka any amin’ny faha-15-n’ny volana desambra any ho any vao manantena tsena tsara ireo mpivarotra raha ho any eto an-drenivohitra manokana. Any ho any mantsy vao manomboka mandray karama avokoa ireo mpiasam-panjakana maro isan-tsokajiny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.