Actualités

Tsena sy fanjifana Efa 900 Ariary ny kapoakam-bary


  • Alatsinainy 18 Janoary 2021

Miaka-bidy andro aman’alina ny vidim-bary eny an-tsena. Tamin’iny herinandro

 

 

 

 

nivalona izao dia in-droa niakatra ny vidim-bary araka ny fanamarihan’ny mpanjifa. 900 Ariary ny kapoakam-bary teny Itaosy ny sabotsy teo, raha 800 Ariary izany tamin’ny alarobia. Tsy lalana tapaka, tsy solika miaka-bidy fa dia manonga tsy miato ny vidim-bary. Vao misasaka anefa ity ny volana janoary hoy hatrany ny mpanjifa eny an-toerana. Ireto farany izay mametra-panontaniana hoe : inona no fiantraikan’ilay Hetsika Vidin’Entana niarahan’ny Ministeran’ny indostria sy ny varotra ary ny asa-tanana tamin’ny vondron’ny mpanjifa eto Madagasikara, ny lehiben’ny tsena eto amin’ny Kaominina renivohitra sy ny manodidina eto Analamanga nambara fa nijerena ny vidin’ny entana eny an-tsena, ny kalitaon’ny entana, ny fanamarinana ny fitaovana fandanjana ampiasaina eny amin’ny tsena ary ny fitsinjovana ny safidin’ny mpanjifa ? Tsiahivina fa ny Hetsika Vidin’Entana dia natomboka ny volana desambra 2020 ary hitohy hatramin’ny faran’ny volana Febroary ho avy izao. Nisy ny zoma 15 Janoary 2021 teo, ny jery todika ka tapaka fa ho tohizana mandritra ny taona ary hatao manerana ny Nosy ny Hetsika Vidin’Entana.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT