«Ny alin’ny talata izahay dia efa manomboka miandry laharana. Misy aza dia ny tompon’ny harona mihitsy ho milahatra eto mandra-maraina, misy kosa ny harona asiana laharana no apetraka, ka vao mangiran-dratsy ny alarobia no tonga izahay mandray ny laharana. Ny tena loza eto anefa dia mazàna tsy ampy ny entana amidy ka matetika izahay no mody maina». Izay no nambaran’ity renim-pianakaviana iray, 53 taona manan-janaka 06 ary mpikarakara tokantrano, raha namoaka ny heviny tamin’ny Tia Tanindrazana mikasika ny filaharana isaky alarobia ataony hividy entana eo anivon’ny Tsena Mora ao Valpinson Toamasina.
Raha ny zavatra hita tao amin’ny Boriborintany Ankirihiry ao Valpinson, ny alarobia lasa teo dia laharan-droa no nisy, ka ilay voalohany ireo tsy nahazo ny alarobia nialoha ny 06 martsa teo ary ny laharana faharoa ireo laharana mahazatra isaky alarobia fivarotan’ny Tsena Mora. Marihina fa ny biraon’ny Boriborintany ihany no atao Tsena Mora ao Ankirihiry rehefa alarobia, hany ka misy misy fiantraikany amin’ny fampandehanana ny asam-panjakana. Mazàna mantsy dia eny an-tokotany ireo mpiasa no manao ny asany, fa ampiasain’ny Tsena Mora ny birao hanaovana magazay.
Ankoatra izay dia vary sisa tato ho ato no amidin’ny Tsena Mora, fa ireo entana hafa toy ny menaka sy ny savony ary ny siramamy sy ny labozia, efa nanjavona fa be loatra ny bizina ao anatiny, araka ny fanazavana azo. «Vahaolana amin’izao fahantrana nateraky ny krizy ity Tsena Mora ity, fa raha izao no mitohy mandavan-taona dia ho raharaha ihany, satria 05kg isan-kerinandro ihany no azo, amin’izay indray tsy mbola fantatra na hahazo na tsia, ny fotoana lany, nefa sitrany ahay fa mahantra e !», hoy hatrany ity renim-pianakaviana nilaza ny heviny ity. Ankoatra izay, dia tsapa fa saika vehivavy no maro milahatra eny amin’ny Tsena Mora, ary raha ny ao Toamasina dia mpivarotra sakafo masaka amoron-dalana ny ankamaroany sitrany ahay tombom-barotra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.