Actualités

Tsena Mora Anosipatrana Niafara tamin’ny gidragidra


  • Alakamisy 10 Martsa 2011

Niafara tamin’ny famotehana ny tranon’ny Tsena Mora teny Anosipatrana omaly. Ao amin’ny faritry ny biraon’ny Fokontany Anosipatrana Atsinanana ihany no misy azy io.

Mitambatra ao ny Fokontany efatra amin’iny faritra iny, dia Anosipatrana Atsinanana, Anosipatrana Andrefana, Ampangabe ary Ilanivato. Olona zato isam-pokontany ihany no mahazo, izany hoe 400 ihany no mahazo amin’ny alalan’ny filaharana fitondrana karinem-pokontany. Teo no nipoitra ny olana. Samy nanao izay hahazoana laharana ny tsirairay ka izay matanjaka ihany no nahazo. Tamin’ny 8 ora 30 no nananomboka ny fizarana. Tamin’ny 10 ora antoandro dia nolazaina fa efa ho lany sahady ny entana nefa tsy nisasaka akory ny olona nahazo. Nanomboka teo ny savorovoro. Velona ny fihanihana ny trano sy famakiana varavarana, nisy ny tsindron’antsy sy zava-maranitra, ny vely kitay… Maro ny very entana toy ny finday, karine, vola… Nandriaka ny ra. Nantsoina haingana ny polisin’Ilanivato handamina. Tonga teny an-toerana ny lehiben’ny distrikan’Antananarivo faha-IV sy ny lehiben’ny Tsena Mora nijery akaiky ny raharaha. Ny tsy fahamatorana teo amin’ny fandaminana no anisan’ny antony nahatonga izao toe-javatra izao. Asa na mbola hahazo Tsena Mora Anosipatrana na tsia !

 
Rabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT