Actualités

Tsena malalaka ara-barotra Tokony hanana tanjona isika mialoha ny hidirana aminy


  • Alarobia 30 Novambra 2022

Tanterahina mandritra ny roa andro eto Antananarivo ny Dinika nasionaly hifanakalozan-kevitra sy hampahafantarana ny zava-misy momba ny ZLECAF na Faritra ara-barotra

malalaka iarahan'ny firenena mpikambana ao amin'ny Vondrona Afrikana izay tsena misy mponina 1,3 miliara. Mampieritreritra ny mpiantsehatra ny Minisitra Edgard Razafindravahy, omaly nandritra ny lanonam-panokafana, alohan’ny hanaovan-tsonia ny fifanarahana momba ny ZLECAF. Tokony hanokatra ny masontsika ny fidiran'i Madagasikara tao amin'ny SADC sy COMESA, hoy ny Minisitra raha nisintona ny sain’ny mpiantsehatra ara-toekarena sy ny mponina izy handanjalanja fatratra, alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra amin’ny hanaovan-tsonia ny fifanarahana momba ny ZLECAF. “Anisan'ireo firenena 54 nanao sonia ny fametrahana ny tsena ZLECAF i Madagasikara kanefa tsy mbola nanao sonia ny fifanarahana. Raha ny fiheverako dia ara-dalàna izany satria ilaina tenierana avy amin'ny mpiantsehatra ara-toekarena rehetra ary indrindra fankatoavana avy amin'ny mponina. Tsy isika irery tokoa no firenena mety hanana fisalasalana. Misy ireo firenena Afrikana mihahotra hanokatra ny tsenany”, hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana omaly Talata 29 Novambra 2022 nandritra ny fanokafana ny dinika. Anisan’ny mahatonga fisalasalana ny ho fiantraikan’ny fanafoanana ny haba amin’ny tetibolam-panjakana. Ahiana hitombo ny fatiantoka ara-barotra. Kely ny ahondrana noho ny afarana. Nosoritan’ny Minisitra fa mialoha ny hidirana amin'ny tsena malalaka dia tokony hanana tanjona isika. Voalohany amin’izany ny fananganana indostria matanjaka sy afaka mifaninana eto an-toerana. “Ilaina ny fotodrafitrasa handraisana mpampiasa vola tera-tany sy vahiny. Tsy misy dikany ny hisokafana amin'ny tsena Afrikana raha tsy hananana izay tanjaka ara- indostria izay”, hoy izy. “Tsy ahazo tombontsoa amin'ny ZLECAF isika raha tsy matanjaka ny Indostria eto an-toerana. Raha tsy manana vina mazava amin'ny Fampiroboroboana ireo vokatra azo ahondrana”, hoy ihany ny Minisitra Edgard Razafindravahy.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT